Nivoaka omaly ny didim-pitsarana ho an’ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randriamasinoro
Tahiry Ny Rina ka roa taona, sazy mihantona, no azony tamin’izany.
Anisan’ny niampangana azy ny fitarihana hetsika sy fidinana an-dalambe tsy nahazoana alalana sy ny fanaovana herisetra amin’ny mpitandro filaminana.
Nosamborin’ny zandary teo Ambohijatovo, ny 2 oktobra teo, andro voalohany nidinan’ny Vondron’ny kandidà 11 teny an-dalambe, izy.
Nohazonina natao andrimaso nandritra ny 11 andro tao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandary, eny Fiadanana. Natolotra ny fampanoavana ny 13 oktobra. Naharitra ora telo ny fakana am-bavany azy tamin’izany tetsy amin’ny fitsarana Anosy. Nanomboka teo ny fampiharana ny fanaraha-maso azy ara-pitsarana na ilay antsoina hoe «Sous contrôle judiciaire”. Notsaraina ny 31 oktobra teo ity mpanao politika, akaiky an-dRavalomanana Marc ity ary izao nivoaka izao ny didim-pitsarana.
Synèse R.




