Teza : “Tany demokratika i Madagasikara”

“Mampiseho ireny fa tsy misy afaka maneho hevitra eto Madagasikara”, hoy ny filoha nasionalin’ny Teza, Ra­ko­toam­boa Jean-Louis, ma­noloana ny fisian’ny fiantsoana mpanao politika hanaovana fanadihadiana noho ny fanehoan-kevitra. Izay mitondra teny fanoherana na fanakianana dia ampitahorina sy ampiantsoana eny amin’ny brigadin’ny heloka bevava. Tsy mety amin’ny firenena ireny. Tany demokratika i Madagasikara, afaka maneho hevitra ny tsirairay. Raha hoe manimba zavatra, ohatra, ny olona no azo anaovana fanadihadiana. Ny fimenomenoman’ny olona amin’izao na izatsy dia tonga dia ampiantsoana.
Notsiahiviny fa tamin’ny fitondrana Tetezamita, injato kely ny ankolafy Ravalomana­na no antsoina eny amin’ny brigadin’ny heloka bevava eny Fiadanana. Mikabary eny amin’ny Magro, Behoririka, dia lazaina fa manomana hanapoaka baomba, dia ampitahorina sy ampiantsoina. Izany ny fomba fitondrana.

R. Nd.

Partager sur: