Hatevina ireo delegasionina hotarihin’ireo filoham-panjakana sy tomponandraikitra ambony avy any ivelany, ho avy hanatrika ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika rahampitso, eny Mahamasina. Anisan’ ny efa tonga omaly ary notsenaina teny Ivato ny filoha Maorisianina, i Prithvirajsing Roopun. Ny avy amin’ny iraka manokan’ny filoha Sinoa,
amin’ny alalan’ny filoha lefitry ny antoko CCPPC, i Hu Chunhua. Efa tonga eto amintsika koa ny sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), i Vêlayoudom Marimoutou. Ny minisitry ny Tafika Senegaley, i Youm El Hadji Omar.
Mbola maro ny delegasionina vahiny ho avy anio. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly fa anisan’ny ho tonga ny filohan’ny Sadc sady filohan’ i Angola, i Joao Manuel Goncalves Lourenco, ny filohan’i Kaomoro sady filoha am-perinasa ho an’ny Vondrona afrikanina, i Azali Assoumani. Tahaka izany koa ny hahatongavan’ny filohan’i Zimbaboe sy Mozambika, ny avy any Ginea Bisao.
Hanatevin-daharana ny filoha mitantana ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nahitsy ny filoha Rajoelina nilaza fa mariky ny fahavononana hiara-kiasa avokoa izany. “Midika ho fahatokisana ka horaisintsika am-pahamendrehana sy am-pilaminana izany”, hoy izy. Nampanantena ny tenany fa hohafainganina ny fampandrosoana, ho fitsinjovana ireo madinika sy marefo miaraka amin’ny fanorenana fotodrafitrasa lehibe mahasoa ny vahoaka, araka ny nambarany.
Synèse R.




