Manam-pahefana sy filoham-panjakana maro samihafa no ho avy eto Madagasikara hanotrona ny fianianana sy fametrahana ny filoham-pirenena malagasy. “Noho ny fifampitokisana sy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny anton’izany”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.
Nisy ny fihaonana teo amin’ny jeneraly Ravalomanana Richard, filoham-panjakana mpisolo toerana sy Rajoelina Andry, filoham-pirenena voafidim-bahoaka, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nisongadina tamin’izany ny fiarahabana sy firariana soa ary ny fanambarana ny fisokafan’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena tsy ankanavaka ho fampandrosoana an’i Madagasikara. “Ilaina ny fahitsiana sy ny fahasahiana raha te hampandroso firenena…”, hoy Rajoelina Andry, raha nisaotra ny filoham-pirenena mpisolo toerana izy, noho ny fahombiazan’ny fitantanana ny firenena tao anatin’izay fotoana izay.
Fotoan-dehibe rahampitso
Fotoan-dehibe ho an’ny fitondram-panjakana sy ny firenena malagasy ny andro rahampitso. Betsaka ireo vahiny avy amin’ny firenena maro samihafa no ho avy hanome voninahitra izany fotoana izany. “Taratry ny fifampitokisana sy fahavononana ary fisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy, amin’ireo firenena sy vondrona maro samihafa, ny fahatongavan’izy ireo amin’ny lanonana fametrahana ny filoham-pirenena malagasy”, hoy Rajoelina Andry. Anisan’ny ho avy eto Madagasikara, miaraka amin’ny delegasionina mafonja ny filohan’ny Vondrona Afrikanina (UA), ny filohan’ny SADEC, ny filohan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD). Naharesy lahatra ireto vondrona iraisam-pirenena maro samihafa ireto ny fananan’i Madagasikara tetikasa goavana. Araka ny nambaran’ny filoha voafidim-bahoaka, hifantoka amin’ny fitsinjovana ny maha olona ny tetikasan’ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny fitsinjovana ireo marefo sy sahirana ara-pivelomana sy fananganana fotodrafitrasa mamaha ny olan’izy ireny.
Lin




