Omaly alina dia efa filaharambe ny teny Mahamasina, hamonjy ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika. Nanao ranolava ihany koa ny fahatongavan’ny delegasiona vahiny.
Vao tamin’ny enina ora hariva omaly, efa nilahatra manodidina ny kianjaben’i Mahamasina ireo olona hamonjy ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nihatonga tsikelikely ny avy any amin’ny faritra. Nisafidy ny natory sy namantana teny avy hatrany. Nisy ihany koa ny avy ety amin’ny manodidina ny renivohitra, tsy te hifanisika maraina. Maro ny mpanohana ny kandidà no nanofa fiara, niakarana aty an-drenivohitra, namonjy ny lanonana.
Tonga maro ihany koa ny vahiny avy any andilam-bato. Maro ny filoham-panjakana sy ireo delegasionina tonga eto Madagasikara. Afrikanina, aziatiaka, karana, ireo nosy rahavavy avy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina dia samy nahatonga solontena avokoa. Ampiraisan’ny tantara sy ny maha kaontinanta iray, ary ny soa toavina iombonan’ ny faritra ny firenena tsirairay.
Ankoatra izay, eo ihany koa ny maha mpiara-miombona antoka amin’ny sehatra maro toy fahaiza-mitantana, ny politika, ny an-dranomasina, sns.
Synèse R.
Ireo filoham-panjakana sy delegasiona, hanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry :
Ny filohan’ny Vondrona Afrikanina sady filohan’i Comores, i Azali Assoumani, ny filohan’ny Sadc sady filohan’ i Angola, i Joao Manuel Goncalves Lourenco, ny filohan’i Maurice, i Prithvirajsing Roopun, ny filohan’i Ginea Bisao, i Umaro Sissoco Embaló, ny filohan’i Mozambika, i Édouard Ngirente. Ny minisitry ny Fiarovana senegaley, i Youm El Hadji Omar. Ny iraka manokan’ny filoha sinoa, ny filoha lefitry ny antoko CCPPC, i Hu Chunhua. Ny sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), i Vêlayoudom Marimoutou. Eo koa ireo ambasadaoro sy tomponandraiki-panjakana ambony…




