Razanamahasoa Christine : “Mirongatra ny tsy fandriampahalemana”

“Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Inona no anton’izany? Nefa manenika ny tanàna ny mpitandro filaminana. Mipetraka ny fanontaniana ampian’ny ahiahy any anatin’ny tsirairay avy.” Kabarin’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Razana­mahasoa Christine, namarana ny fivoriana ara-potoana, teny Tsimbazaza, omaly, io. Manomboka matahotra indray ny vahoaka amin’ny delestazy sy ny fahatapahan-drano. Efa nanao izay fantany ny tomponandraikitra. Koa tsy ilaina ve ny fikatsahana vahaolana? Voaozona amin’ny fisian’ny olana mandrakariva ny fiainan’ny vahoaka ?
Ivon’ny fivoriana ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy tetibolam-panjakana 2024. Nola­nian’ny depiote tsy nasiam-panitsiana izany.
Etsy andaniny, nampitandrina ireo tsy maty voalavo an-kibo ny filoha vonjimaika, ny filohan’ny Antenimieran­doholona, Rabemananjara Nicolas, teny Anosikely.
“Iarahan’izao tontolo izao mahita fa mitsoka sy miaina eto ny rivotry ny demokrasia”, hoy izy. Afaka namoaka ny heviny ny vahoaka. Tafa­hoatra, maniratsira, manevateva, efa nivaona ka nandika ireo didy aman-dalàna handrindrana ny fiainam-pirenena. Koa mampahatsiahy sy mampitandrina ary manitsy ireo tsy maty voalavo an-kibo manao ny hahakizo fara sy hampihemotra ny firenena izy. “Andao hiara-kibanjina ny ampitso hanarenana sy hampandrosoana ity tanindrazana ity”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: