Nametraka fanamby maromaro ny filoha Rajoelina Andry ary efa fiaingana vaovao ho amin’ny 5 taona manaraka, taorian’ny fianianany natao ny sabotsy teo, izany. Niompana amin’ny sosialim-bahoaka kokoa izany.
Anisan’ny fiaingana vaovao ao anatin’izany ny fiahiana ny maha olona. “Hitsinjo ny isan-tokantrano aho, indrindra ireo tena marefo. Lehibe sy mavesatra ary sarotra ny adidy miandry ahy. Nefa tsy ataoko ho sakana izany noho ny fitiavan-tanindrazana.” Io ny kabary fandaharanasan’ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, afakomaly, taorian’ny nandraisan’ny HCC ny fianianany amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy sy ny fiarahabana nomban-tsodranon’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent.
Amin’izao dimy taona manaraka izao, anankinana ny vina fampandrosoana ny fanomezan-danja ny maha olona, ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny fanodinana ny indostria, ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana. Hiompana bebe kokoa amin’ny fiharian’ny vahoaka izany, ny fanatsarana ny fari-piainan’ny olom-pirenena sy fitsinjovana ny isam-batan’olona ary ny fiahiana sosialy amin’ny fampiofanana amin’ny asa, eo amin’ny fanabeazana sy ny fahasalamana, fisitrahana jiro sy rano. Hotsinjovina manokana ireo marefo, zokiolona, tanora, vehivavy, ankizy. Hisy ny paikady nasionaly momba ny fandrindram-piterahana maimaimpoana hanatsarana ny fari-piainan’ny tokantrano malagasy.
Ny famoronana asa sy ny ady amin’ny kolikoly
Hatao vaindohan-draharaha ny programa nasionaly hampiofanana amin’ny asa sy famoronana asa. Tanjona ny hamokarana sy hanodinana eto Madagasikara izay ilain’ny Malagasy. Imasoana koa ny fanalalahana ny fandraharahana, ary ny fanampiana sy fampirisihana ny mpandraharaha na eto an-toerana na avy any ivelany. Tsy maintsy hatsaraina ny fomba fiasa eny anivon’ny biraom-panjakana rehetra, hiarahana ny ady amin’ny kolikoly. Misokatra amin’izay rehetra vonona hiasa ho an’ny vahoaka sy hanasoa ny vahoaka izy, tsy manavaka ary tsy manilika.
R. Nd.




