Fiaraha-miasa : maro ny tetikasa hahazoana famatsiam-bola

Nisesy ny fandraisan’ny filoha Rajoelina Andry ireo delegasiona, nivahiny teto amintsika. Voaresaka tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo tetikasa fampandrosoana.

Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny ranomasina, i Hervé Ber­ville, taorian’ny nanatrehany ny fianianana tetsy Maha­masina. Nanolotra ny taratasy avy amin’ny filoha frantsay ho fiarahabana ny filoha Rajoe­lina izy. Voaresaka koa ny tetikasa hiarahana amin’i Frantsa ka anisan’izany ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina.
Noraisin’ny filoha koa ny filoha lefitry ny antoko CCPCC, Hu Chunhua, sady iraky ny filoha sinoa. Niom­panan’ny dinika ny fiaraha-miasa eo amin’ny famokaram-bary. Efa vita sonia fa hohafainganina ny fanatanterahana izany ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Eo koa ny hanohanan-dry zareo Sinoa ny indostria ka ny hanatsarana ny fotodrafitrasa ho amin’
izany ary hampiakarana ny toekarena sady hamoronana asa. “Hojerena ireo tetikasa vaovao ka mba ho maodely ho an’i Afrika i Madagasikara eo amin’ny fampandrosoana”, hoy ity iraky ny filoha Sinoa ity.
Noraisin’ny filoha Rajoe­lina Andry koa ny filohan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), i Ade­sinaAkinwumi. Hotohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fambolena, ny angovo, ny fanohanana ny vehivavy sy ny tanora. Ny famoronana asa ary koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Hampiakarina ho 268 tapitrisa dolara ny vola fanampian’ny Bad. “Haompana amin’ny tetikasa ho an’ny fambolena izany mba hanenana ny fahantrana ary iaraha-miasa amin’ny tsy miankina. Tafiditra amin’ny fametrahana faritra manokana ara-pambolena”, hoy ny vahiny. Natsidiny koa ny tetikasa ho an’ny vehivavy “Affirmative Finance Action for Women in Africa” ka hamatsiana vola 5 miliara dolara.

Synèse R.

Partager sur: