Fananana tsy ara-dalàna : fiara miisa 11 nataon’ny Arai lavanty

Nanatanteraka ny fanaovana lavanty ireo fananana nogiazany ny eo anivon’ny Sampandraharaha famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), omaly. Fiara maromaro izany ary mbola misy hafa koa.*

Fiara miisa 11 giazan’ny eo anivon’ny Arai no natao lavanty teny amin’ ny foibeny, Imerimanjaka Am­bohijanaka, omaly, na tsy mbola nahazoana didim-pitsarana raikitra aza. Fiara 28 no hatao lavanty amin’ity taona ity, ka any Toamasina ny 17 hafa, amin’ny 22 desambra ho avy izao. “Mbola voageja vonjimaika ireo fananana ireo”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Arai, Rasoloharima­nana Aimé, ny amin’izay ady amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinana volam-panjakana izay. Nefa tsy maintsy atao ny famarotana azy ireo mba hialana amin’ny hoe simba am-pitoerana mandra-pivoaka ny didim-pitsarana farany na meloka tokoa ny tompony na tsia. Nefa mety ho an-taonany vitsivitsy vao mivoaka izay didim-pitsarana izay.

Manan-jo hampiakatra ny raharaha
Manan-jo hampiakatra ny raharaha hatrany amin’ny fi­tsarana fandravana ny olona, raha meloka ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Mety ho elaela izay fotoana izay, ka ho simba na mihen-danja ilay fananana. Raha tsy meloka ny tompony, zavatra efa simba no miverina aminy; raha meloka izy, zavatra efa tsy manana sanda intsony no miverina amin’ny fanjakana. Nefa ny hamerenana amin’ny kitapombolam-panjakana ny harena azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna no tanjona. Izay no mahatonga ny lalàna manome fahefana amin’ny famarotana azy. Misy kaonty 500 mahery any amin’ny banky na kaonty hafa gejain’ny Arai amin’izao. Eo koa ny tany sy trano, fananana madinidinika hafa… Ny fananana mora simba na mety mihen-danja no azo atao lavanty.

R. Nd.

Partager sur: