Namoaka fanambarana ny vondron’ny kandidà (C11). Naneho fahavononana amin’ ny hiatrehana ny fifidianana rehetra izy ireo saingy nametraka fepetra.
Anisan’izany ny fanatsarana ny tontolom-pifidianana sy ny fanajana ny lalàna velona “Antoka ho an’ny fitonian’ny firenena izany”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ny C11 koa ireo fitakiana efa natao mba hisorohana ny krizy ateraky ny fifidianana. Miady ho an’ny tany tan-dalàna isika ka nametrahana ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana teny anivon’ny Antenimierampirenena, hanatsarana ny tontolon’ ny fifidianana, araka ny fanambarana hatrany. “Niainga amin’ny tolokevitr’ireo mpanara-maso ny fifidianana avy eto an-toerana sy avy any ivelany izany”, hoy ihany ny C11.
Fikorontanan’ny fiarahamonina
Etsy andaniny, nohitsin’izy ireo fa mitarika any amin’ny fikorontanan’ny fiarahamonina miseho amin’ny endriny maro ny tsy fahamarinan-toeran’ny mpitondra. Efa iainantsika izany izao, araka ny nambaran’ny vondron’ny kandidà. Voatanisa amin’izany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, manjaka ny kolikoly, tsy mipetraka ny fifampitokisana… “Misakana ny fampivoarana eo amin’ny toekarena sy ny sosialy izany”, hoy izy ireo.
Notsiahivin’ny C11 fa mitohy ny tolona ho an’ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Nanentana ny rehetra izy ireo hanara-maso sy hiteny ireo tsy mety satria zo feno izany.
Synèse R.




