Nametra-pialana halina ny governemanta notarihin’ny praiministra Ntsay Christian. Nandritra ny filan-kevitry ny minisitra voalohany, notarihin’ny filohan’ny Repoblika no nanaovany izany. Neken’ity farany rahateo ny fangatahana mba ahafahana miroso amin’ny fanavaozana sy ny ho fanatanterahana ny politikam-pampandrosoana napetrany nandritra ny fampielezan-kevitra.
Mandrampivoaka izay mpikambana vaovao dia manohy ny asa fampandehanan-draharaha ny mpikambana amin’ny governemanta.
Marihina fa nitondra ny teny fiarahabana ho an’ny Filoha vao voafidim-bahoaka ny praiminisitra sy ny minisitra. Nirary azy hahavita mihoatra ny efa natombony, tamin’ny fotoam-pitondrana voalohany.
Tsiahivina fa ho vaindohan-draharahan’ny filoha Rajoelina Andry ny sosialim-bahoaka. Manaporofo izany ny fankatoavana ny fanjakana ny fametrahana ny kaonty fampiandraketana na ny “caisse de consignation”, natokana hitantanana ny vola kirakiraina amin’ny tetikasa Trano mora.
Tsiferana R.




