Fetin’ny Noely: niara-nifaly tamin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina

Tsy diso anjara tahaka ny isan-taona. Niara-nanamarika ny fetin’ny Noely teny amin’ireo ankizy tezain’ny Mompera Pedro, eny amin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina dimy mianaka.  

Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa hafaliana ho azy mianakavy ny fiaraha-mankalaza ny Noely eny an-toerana isan-taona. “Am-pitiavana anaty fihetseham-po no iarahana aminareo zanaky ny Akamasoa“, hoy izy. Nanteriny fa andro ankalazana ny nahaterahan’i Jesoa ny fetin’ny Noely. Manamarika ny fahatongavan’ny hazavana ho an’ny lalana. Noderainy manokana ireo ankizy tezaina eny amin’ny toby amin’ny fandraisana anjara tamin’ireo hetsika sy lanonana natao. Anisan’izany ny lalaon’ny Nosy sy ny fetim-pirenena ary koa ny fianianana nataony farany teo. “Nampiaiky ireo vahiny na filoham-panjakana tonga teto ny talentanareo.  Mora ampitana hafatra ary matsilo saina ianareo”, hoy izy. Nanteriny fa fotoana isaorana an’Andriamanitra koa izao ary izarana fitiavana sy ankasitrahana… Notolorana fanomezana tamin’izany ireo mpianatra rehetra sy ny mpanabe.

Hanala ny vahoaka anaty fahasahiranana

Nankasitraka ny Mompera Pedro ny filoha amin’ny soa vitany… “Manome toky izahay fa vonona hifanome tanana amin’ny ezaka ataon’ny Akamasoa… Hiezaka hanala ny vahoaka anaty fahasahiranana sy fahantrana“, hoy izy. Notsiahiviny avy eo fa mihaino  Andriamanitra ka izao hiara-dalana mandritra ny 5 taona izao indray, rehefa nentina am-bavaka teny Mahatazana ny firotsahan-kofidiany, araka ny nambarany hatrany.

Nampanantena ny filoha fa hotokanana tsy ho ela ny foibe fanofanana tanora eny an-toerana. “Tanjona ny handraisan’ny olom-pirenena anjara amin’ny fampandrosoana ary tokony hitondra vahaolana fa tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina izy ireny“, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: