Fanohizana ny tolona: nandinika ny paikady ny C11

Nivoaka omaly, ny tatitry ny fivorian’ny Vondron’ireo kandidà (C11), natao ny 26 desambra teo. Nivoitra tamin’izany ny nandinihina ny paikady hanohizana ny tolona manomboka amin’ny fiandohan’ny volana janoary, araka ny tatitra. Nohamafisina tamin’izany fa tsy miova ny foto-kevitra ijoroana sy ny notakina hatramin’izay. “Tsy misy afa-tsy ny fiverenantsika amin’ny tany tan-dalàna ihany”, hoy izy ireo.

Manamafy ny fisokafana amin’ny hery velona rehetra amin’ny hanohizana ny tolona ireto vondron’ny kandidà ireto. Tafiditra anatin’izany ny fanomanana ny fihaonana eo amin’ny C11 sy ireo raiamandreny ara-drazana, nanao fanambarana tato ho ato. Tahaka izany koa ny ho fifampidinihana amin’ireo vondron-kery sy fikambanana hafa ka mitovy fijery sy fitakiana ary foto-kevitra amin’izy ireo. Mbola nanamafy ny C11, araka ny tatitra hatrany, fa tsy maintsy ho tohizana ny tolona efa natomboka. Hiseho amin’ny ny endriny samihafa izany, manomboka amin’ny taona ho avy.

Synèse R.

Partager sur: