Hanan-danja ny fifidianana kaominaly

Efa mandeha indray izao ny hoe tsy misy kaominina hadino amin’ny fampandrosoana fa tsy ny distrika ihany. Hanao ahoana? Antenaina fa hisy fiovana ny fampandrosoana ifotony eny anivon’ny kaominina amin’izany. Eo aloha ny fahalanian’ny tolo-dalàna fanalavana fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna ho dimy taona, raha efa-taona izany teo aloha. Hahazoany  mamita ny vinam-pampandrosoana kokoa izay. Miara-dalana amin’izany, ny kandidà mpiray lisitra ihany no ho mpanolotsain’ny Tanàna.  Teo aloha, ny kandidà ben’ny Tanàna nahazo vato betsaka no tendrena ho amin’izany. Lamina izay lasa sakana amin’ny fampandrosoana noho ny antony politika.

Anisan’ny andrin’ny fomba fitantanana amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao ny fampandrosoana ny maha olona sy ny ny sosialim-bahoaka ho laharam-pahamehana. Eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany no tena misy ny vahoaka. Hitombo àry ve ny vola fanampiana ho an’ny kaominina? Tsy ho amin’ny fampandehanan-draharaha ihany, fa ny fampandrosoana ifotony.

 

R. Nd.

Partager sur: