Hanitrantenaina Fanoboha: “Sakana iadiana amin’ny kolikoly ny toe-tsaina”

Nitondra ny heviny manoloana ny ady amin’ny kolikoly ny mpitsara sady maintimolalin’ny fandaharanasa Yaly RLC Dakar, i Hanitrantenaina Fanoboha. Niaiky ny tenany fa mbola mitaky ezaka lehibe izany. “Anisan’ny sakana ny toe-tsaina efa zatra manao kolikoly. Ny tsy fanarahana ny lamina efa mipetraka sy ny fikarohana lalana ambanin’ny tany, iheverana fa azo atao daholo na efa fandikan-dalàna aza“, hoy izy. Eo koa ny fampiasana ny fahefana sy ny fahafantarana olona. Manampy izany ny tsy fahafantarana ny lalàna. Anisan’ny olana koa ny sokajin’olona tsy azo enjehina sy hampiharana lalàna noho ny andraikiny sy ny asany. Ilana fahazoan-dalana amin’ny lehibeny izy ireny. Anisan’izany ny lehibena Andrimpanjakana, ny mpitsara, ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy. Ny mpiasan’ny hetra sy ny ladoany. “Mahazo laka ny tsimatimanota noho ny fahasarotana amin’ny fanenjehana azy ireo. Miteraka tsy fitoviana izany satria voasazy ny olon-tsotra rehefa tratra nefa tsy mba voakitika ny hafa“, hoy izy.

Notakiny ny hampiharana ny lalàna amin’ny rehetra sy ny fanafoanana ny tsy fahazoana manenjika na koa ny fakana fahazoan-dalàna manokana. Tokony ho mafy sy hentitra ny sazy. Ampiana ny hoenti-manana amin’ireo rafitra misahana ny ady amin’izany. Hamoraina ireo dingana ahafahan’ny vahoaka mikarakara taratasy eny anivon’ny biraom-panjakana…

Synèse R.

Partager sur: