Lahateny amin’ny faran’ny taona: andrasana ny vahaolana maika avy amin’ny filoham-pirenena

Handaha-teny ho an’ny vahoaka malagasy, tahaka ny fanao isaky ny faran’ny taona, ny filohan’ny Repoblika, ny harivan’ny alahady 31 desambra izao. Maromaro ireo olana eto amin’ny firenena tokony hovahana, andrasana amin’ny kabariny.

Anisan’izany ny olana lehibe ho an’ny rehetra toy ny herinaratra sy ny rano, raha ny eto an-drenivohitra sy ny faritra hafa. Mampikaikaika ny maro izany, tato anatin’ny herinandro vitsy. Tahaka izany koa ny tsy fandriampahalemana mahazo laka manerana ny Nosy ary miseho amin’ny endriny maro samihafa. Fandrobana fananana, asan-dahalo, fanapahan-doha na fakana taova…

Eo koa ny mety ho fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina. Hatramin’ny firy isan-jato ohatra ?  “Efa tokony ho iray tapitrisa ariary ny karama farany ambany eto amintsika”, hoy ny eo anivon’ireo sendikà, tamin’ity herinandro ity. Ny ho fiatrehana ny maitsoahitra, manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana na efa nomena baiko ny amin’ny hivarotana ny “Vary mora” aza ny governemanta, mitantana vonjimaika amin’izao fotoana izao. Ampahany ihany amin’ireo olana tokony hikarohana vahaolana maharitra ireo.

Fanalefahan-tsazy, ny governemanta vaovao…

Ankoatra izay, ny lahateny momba ny fanalefahan-tsazy amin’ireo eny am-ponja, efa fanao amin’ny tonon-taona tahaka izao.

Andrasana koa ny mety ho endriky ny governemanta ho avy eo sy ny iraka ampanaovina azy ireo amin’izao fiandohan’ny fotoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika izao.

Na eo aza anefa ireo, efa natsidiky ny filoham-pirenena tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny hanaingana ny fanofanana ireo sahirana hisitraka tany sy trano ary hiompy amin’ny velaran-tany efa voaomana ho amin’izany. Tetikasa hiparitaka manerana ny Nosy izy io.

Synèse R.

Partager sur: