Fahefana mpanatanteraka: hiova ny ho firafitry ny governemanta

Tsy hitovy amin’ny endriny ankehitriny ny ho firafitry ny governemanta vaovao, araka ny loharanom-baovao. Hohamafisina kokoa ireo departemanta hisahana ny fandaharanasan’ ny filohan’ny Repoblika.

Heverina ny hametrahana sekreteram-panjakana ho an’ireo departemanta manokana tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena. Hampitom­bo ny ho isan’ireo mpikambana handrafitra ny governemanta izany. Tsy azo ihodivirana fa ireo andry telo lehibe, nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fianianany sy ireo nanomezany toromarika tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo izany.
Ho lohalaharana ny fampiroboroboana ny maha olona sy ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka. Manaraka izay ny fanomezana vahana ny orinasa sy ny famoronana asa ho an’ny tanora ary ny vehivavy. Farany, manampy ireo ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana sy ny asam-panjakana ary ny ady amin’ny kolikoly.

Tsy ho ela
Hatramin’izao tsy mbola misy mipika ny resaka mahakasika izay ho lehiben’ny governemanta. Tsy maintsy hiainga avy amin’ny solombavambahoaka maro anisa anefa izany, araka ny voala­zan’ny Lalàmpanorenana. Hi­vo­aka avy eny Tsimbazaza ny anaran’izay ho mpitarika ny fahefana mpanatanteraka, hia­raka amin’ny filohan’ny Repoblika.
Mba hahafahana manatanteraka ny velirano sy ilay teny filamatra “Madagasikara tsy maintsy mandroso” dia efa miely ny vaovao amin’ny hanendren’ny filohan’ny Re­pob­lika sekreteram-panjakana na minisitra lefitra maromaro. Hanampy amin’ny fanafainganana ny tanjona kinendry izany. Tsiahivina fa ankoatra ny laharam-pahamehana telo, dia mbola hitohy ny fanamboarana fotodrafitrasa, ny fijerena ny fahasalamana, ny fanabeazana, araka ny efa nanambaran’ny filoham-pirenena izany teny Mahamasina.

Synèse R.

Partager sur: