Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile: “Mila mitana fahefana amin’ny adihevitra ny mpitondra”

“Samy hafa ny olona ma­hay maka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana sy ny olo­na mitazona fahefana amin’ny alalan’ny fifanakalozana na ny adihevitra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny minisitra teo aloha, ny jeneraly misotro ronono Tsa­ranazy Jean-Emile, ny amin’izay tokony hataon’ny fitondram-panjakana amin’ izao fiandohan’ny fe-potoam-piasana izao. ”Tokony hasehon’ny mpitondra ny fahaizany mitazona ny fahefana amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra na ny adihevitra. Ny fifanatonana no maha demokrasia ny demokrasia. Tsy hoe fifidianana ihany ny demokrasia. Na hoe vita ny fifidianana dia mijanona eo ny demokrasia. Diso izay, Ny demokrasia koa dia ny fifanakalozana amin’ny alalan’ny adihevitra”, hoy izy naneho hevitra. Ilaina ny adihevitra mba tsy ho henjan-droa ny tady eo amin’ny mpitondra sy ny olona entina.
“Farafahabetsany, eo amin’ny fito na valo eo ny mpikamban’ny governementa to­kony hisy. Ny sisan’izay, tokony homena ho andraikitry ny faritra ny fanatanterahana asa”, hoy kosa izy ny amin’ny fananganana sy izay ho firafitry ny governemanta vaovao. Tsy tokony hibahan-toerana sy handany andro amin’ny za­vatra tokony ho vitan’ny faritra ny fitondrana foibe. “Aleo hataon’ny any an-toerana izay rehetra tokony ho vitan’ny faritra”, hoy hatrany i Tsaranazy Jean Emile. “Na ny lalana, ohatra, io, na ny fanabeazana, na ny famokarana… Tokony havela ho andraikitry ny faritra”, hoy izy namarana ny fizaran-kevitra.

R. Nd.

Partager sur: