Ramamimampionona Gérard: “An’ny Malagasy rehetra izay ho Praiminisitra eo”

Amin’izao fotoana izao, lasa iadiana ny hoe tokony ho aty aminay ny Praiminisitra. Avy aty aminay na hoe zanakay, afovoantany na anindrantany. Toy ny manambara izany hoe angaha tsy iray ihany ny Malagasy”? Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny ho fanendrena  Praiminisitra. Tsy hoe avy atsy na avy aroa fa avy eto Madagasikara ny Praimininsitra ary manana toe-tsaina ho an’ny Malagasy rehetra. Misy tombontsoa kendrena manokana ve sa misy toe-tsaina te hirehareha manokana hoe zanaky ny faritra izatsy na izaroa ny Praiminisitra? Zanaky ny Malagasy izay eo ary manasoa ny Malagasy rehetra. Mitodika ho an’ny Malagasy rehetra fa tsy ho an’ny faritra niaviany ihany. Zanaky ny Malagasy rehetra ary reharehan’ny Malagasy rehetra.

Tokony hapetraka izay toe-tsaina manambara fiombonana izay. Efa nisy nifanaovana ny amin’ny mpitondra ambony  hoe: raha avy any anidrantany ny iray, avy aty ampovoantany ny iray; na ny mifamadika amin’izany. Ekena, efa nisy teo amin’ny tantara ny hoe: afovoantany avokoa, na avy any anindrany avokoa. Sanatria, rehefa tonga eo koa: tsy mahalala afa-tsy ny faritra niaviany. Io toe-tsaina sy toe-pon’ny rehetra io, na ny olona hapetraka amin’izany na izay te hametraka olona amin’izany: tsy tokony hanana eritreritra hoe azy izay eo fa an’ny Malagasy rehetra. Ilaina ny toe-tsaina mahalala ny maha iray ny Malagasy, ary zanaka Malagasy manasoa sy manompo ny Malagasy izay eo.

R. Nd.

Partager sur: