Mois : décembre 2023

Fianianan’ny filoha : nizotra am-pilaminana ny lanonana

Tontosa antsakany sy andavany, ny lanonana fianianana sy fametrahana an-dRajoelina Andry, filoha voafidim-bahoaka, amin’ny toerana maha filoham-pirenena azy, natao teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tonga maro, nanotrona izany ireo vahoaka malagasy, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, notronin’ireo tomponandraikitra maro samihafa sy ireo vahiny nasaina. “Ilaina ny fiaraha-miasa […]

Ny atao no hita

  Efa fantatra hatramin’ny ela ny olan’ny vahoaka ifotony fa ny fiatrehana fiainana andavanandro: tsy fandriampahalemana, vidim-piainana, tsy fisian’asa, famatsian-drano sy jiro, masomboly sy zezika… Tsy vaovao koa izay mamaky loha isan’andro ny ankamaroan’ny mpanao politika fa ny hambompo politika, ny ady fahefana, ny fangirihana na fiarovana tombontsoa… Amin’ny ankapobeny, […]

Filoha Rajoelina Andry : fiaingana vaovao ho amin’ny 5 taona

Nametraka fanamby maromaro ny filoha Rajoelina Andry ary efa fiaingana vaovao ho amin’ny 5 taona manaraka, taorian’ny fianianany natao ny sabotsy teo, izany. Niompana amin’ny sosialim-bahoaka kokoa izany. Anisan’ny fiaingana vaovao ao anatin’izany ny fiahiana ny maha olona. “Hitsinjo ny isan-tokantrano aho, indrindra ireo tena marefo. Lehibe sy mavesatra ary […]

Androhibe : mpanao  Cash point voasoloky 800 000 Ar

Manjaka ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny fampiasana telefaonina amin’izao fotoana. Mpiasa amin’ireny iray lasibatr’izany, tetsy Andrianalefy-Androhibe, ny alakamisy 14 de­sambra teo. Vehivavy iray nilaza nahita asa niditra tao aminy. Mandefa vola amin’ny alalan’ny finday io asa vaovao io ka nomen’ny olona tsy fantatra azy ny laharana finday maromaro. “Efa hitan’ny masonay tamin’ny […]

TSELATRA

Fiara tsy mataho-dalana nivadika anaty tanimbary, tetsy Ampitatafika, afakomaly atoandro. Zaza­kely iray voalaza fa naratra mafy ka voatery naiditra hopitaly niaraka amin’ireo olon-dehibe sasantsasany tao anaty fiara. Fandehanana mafy no niteraka ny loza. Mpisoloky telo vavy voasambotry ny zandary tetsy Ambohimangakely, ny zoma 15 desambra teo. Mody mivarotra tany amin’ireo […]