Mois : décembre 2023

Tandremo ny mpanolana !

  Handao hiresaka trangam-piarahamonina mampivarahontsana isika anio. Tsy sanatrian-dresaka hanimba ny « ambiasy » amin’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika akory fa tena tsy maintsy potserina. Misy vay maharary tsy maintsy vakiana. Ity resaka fanolanana ankizivavikely na ankizilahikely ity. Ny tena loza mihatra, ilana fandraisana fepetra hentitra dia ny mpianatra samy mpianatra mifanolana. Mahazo […]

Kianjaben’i Mahamasina : mandrak’alina ny filaharana

Omaly alina dia efa filaharambe ny teny Mahamasina, hamonjy ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika. Nanao ranolava ihany koa ny fahatongavan’ny delegasiona vahiny. Vao tamin’ny enina ora hariva omaly, efa nilahatra manodidina ny kianjaben’i Mahamasina ireo olona hamonjy ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nihatonga tsikelikely ny avy any amin’ny faritra. Nisafidy […]

Fakana an-keriny : Jiolahy maty voatifitry ny zandary

Lavon’ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’ An­jozorobe, afakomaly. Ani­san’ireo dahalo iray tarika amin’Iarisy nampitondra fai­sana tao Anjozorobe sy Anka­zobe ary Ambohidratrimo. Efa namoahan’ny fitsarana tara­tasy fanenjehana azy ity dahalo ity. Nahazo fampitam-baovao anefa ny zandary fa miery ao Toamasinakely Beanana, distrikan’Anjozorobe ny an­dian-dahalo tarihin’ity maty […]

TSELATRA

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ Ambohi­man­gakely, omaly ireo vehivavy malaza ratsy amin’ny fisolokiana tany. Nandritra ny roa taona izy ireo no nanao ity asa ratsy ity. Anisan’ ireo voasoloky koa ny rafozan’ny vehivavy iray amin’ireto mpisoloky ireto. Rehefa mahita olona mitady tany na trano amidy ireo mpisoloky dia entiny […]

Asan’dahalo mahery vaika : noravan’ny zandary ny tanànan’Ankitikitika

Fonenan’ny dahalo sy ny fianakaviany ny tanànan’Ankitikitika. Noravan’ny zandary izany ny 10 desambra teo. Olon-dratsy roa lahy lavo, tsy hita popoka ny namany. Maty voatifitry ny zan­dary ny dahalo roa lahy fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ankavanany sy Hamena tao amin’ny tanànan’ Ankitikitika, distrikan’i Main­tirano, ny 10 desambra teo. Nitsoaka tsy […]