Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo farmasianina tamin’ity herinandro ity. Nodinihina tamin’izany ireo karazan-dalàna mifehy ny fanokafana sy fanakatonana ary famindrana toeram-pivarotam-panafody. Hatsangana koa ny komity manokana hanara-maso sy hanapaka izany. Nahazo vata fampangatsiahana 23 fanampiny ireo toerana fitehirizan-dra eny amin’ireo hopitaly eny anivon’ny distrika. Kitapon-dra sy singa ilaina amin’ny famindrana […]
Mois : décembre 2023
Apipa: Ezahina sokafana ny lalana eny Andralanitra
Mivangongo ny fako ary tery ny lalana hidiran’ny kamiao manatitra fako eny amin’ny tobim-pako Andralanitra. Mifarimbona ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Apipa ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny SMA mitady vahaolana. Manao ezaka hanokafana ny lalana eny an-toerana izy ireo hahafahan’ny kamiao mivezivezy sy manatitra ny fako […]
R. Alexandre: Afaka BEPC ary hanala bakalorea sokajy L amin’ity taona ity
Tsy voafetran’ny taona ny fianarana sy ny fifehezana zavatra iray. Noporofoin’ity zokiolona ity fa azo atao ny mianatra hatrany raha mbola ao ny fahavononana. Faly izy fa nitombo ny mari-pahaizana ananany satria azony ny BEPC. Bakalorea sokajy L indray no tanjona manaraka amin’ity taona ity. Tsy hijanona izy raha tsy […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny hiragasy etsy Ampefiloha. Hiakatra kianja indray, rahampitso alahady 17 desambra, ry Sahondrafinina Zanany, hifanandrina amin-dry Samuelson Andohavary. Ady hiragasy toy ny efa mahazatra ao amin’ny kianja, manomboka amin’ny 10 ora maraina ka manariva andro. Hiady ny lalao raha ny lazan’ireto tropy roa izay hifandona ireto. Tsy misy vidim-pidirana […]
Na ry zareo aza tsy mifankahazo : tsy an’ny Malagasy velively ny Krismasy
Rehefa tonga ny 25 desambra na ny fankalazana ny Krismasy, feno hipoka ny fiangonana kristianina. Antony, io no nambara fa anisan’ny vanim-potoana lehibe indrindra eo amin’ny sehatry ny finoana maneran-tany. Na ny ady aza, miato. Nialohan’ny nahatongavan’ny vahiny (misionera) teto Madagasikara, nanana ny finoany sy ny fivavahany ny Malagasy. Noho […]




