Mois : décembre 2023

Tondro tokana tsy mahazo hao

  Mbola mitana ny sain’ny maro ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Manome vahana izany ny vanim-potoanan’ny maitsoahitra izay mampidangana ny vidim-piainana. Mam­piaiky volagna ny vidim-bary eny an-tsena izay tafakatra hatrany amin’ny 3 500 Ariary ny kilao. Efa hitovy amin’ny sandan’ny karama indray andro raisin’ny mpiasa madinika. Mahalasa saina! Miraviravy […]

Delestazy : nandroso vahaolana ny mpandraharaha tsy miankina

Namoaka fanambarana, ny 12 desambra teo, ny vondron’ny mpandraharaha tsy miankina manodidina ny 30 eto Madagasikara. Anisan’ny navoitran’izy ireo ny fandanian’ny orinasa mihoa-pampana amin’ny herinaratra vokatry ny delestazy lavareny. Miantraika ratsy any amin’ny fiharian’ny mpandraharaha ny delestazy. Efa nisy hatry ny ela ny tetikasa famokarana herinaratra azo avaozina sy ny avy […]

Anjozorobe : mpaka an-keriny telo lahy rotiky ny bala

Tratra ihany ny lehiben’ny dahalo malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Niara-namoy ny ainy izy sy ny namany roa lahy. Nokarohina hatry ny ela, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao hetsika manokana tao amin’ny fokontany Ambo­hitsoa, kaominina Bero­nono, distrikan’Anjozorobe, i Leba, mpitarika dahalo, afakomaly. Ikoizana amin’ny halatra omby sy […]

TSELATRA

Taxi-be 109 nifatratra tamina andrin-jiron’ny jirama teo Analamahitsy, omaly maraina. Potika tanteraka ny fiara. Niongotra hatramin’ny andrin-jiro. Voalaza ho fahatapahan’ny hisatra no niteraka ny loza. Nandeha mafy loatra ny fiara, raha ny fahavoazana hita taminy. Zazalahy handeha hianatra vaky loha nofaohan’ny moto, teny amin’ny lalan’ny Tsarasaotra, omaly maraina. Nandeha mafy […]

Ampandrana : lehilahy namono tena rehefa avy nanindrona antsy ny sakaizany

Renim-pianakaviana iray hita faty nihosin-dra notsatohan’ny sakaizany antsy teo ambony fandriana teny Ampandrana, omaly maraina. Namono tena koa ilay lehilahy taorian’izay. Tokantrano iray nihosin-dra, omaly tamin’ny 7 ora maraina, teny amin’ny fokontany Ampandrana. Renim-pianakaviana iray no maty notsatotsatohan’ny sa­kaizany antsy teo ambony fandriana. Namono tena koa ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity […]