Mois : décembre 2023

Teza : “Tany demokratika i Madagasikara”

“Mampiseho ireny fa tsy misy afaka maneho hevitra eto Madagasikara”, hoy ny filoha nasionalin’ny Teza, Ra­ko­toam­boa Jean-Louis, ma­noloana ny fisian’ny fiantsoana mpanao politika hanaovana fanadihadiana noho ny fanehoan-kevitra. Izay mitondra teny fanoherana na fanakianana dia ampitahorina sy ampiantsoana eny amin’ny brigadin’ny heloka bevava. Tsy mety amin’ny firenena ireny. Tany demokratika […]

Fifidianana ben’ny Tanàna: tombanan’ny Ceni amin’ny marsa 2024

“Any ankoatra ny volana marsa ny fifidianana ben’ny Tanàna. Raha hajaina ny fanao hatramin’izay: raha mifarana volana jona ny fe-potoam-piasan’ny depiote, tokony ho any amin’ny mey ny fifidianana amin’izany”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, An­dria­marotafika Soava, momba ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. Raha ny marina, tokony ho amin’izao […]

Ramavoarihanjasoa Hasinanirina : “Tsy ny anio ihany ny sosialim-bahoaka, fa ny ampitso sy ny manaraka”

Ahoana ny amin’ny sosialim-bahoaka? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny filoha mpanorina ny fikambanana Ny Hasin’ny Fifankatiavana, Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah:”Tsy ny anio ihany ny sosialim-bahoaka, fa ny ampitso sy ny manaraka”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Fahitanao ny hoe sosialim-bahoaka amin’izao? Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah (-): Amin’ny maha filohana […]

TARATRY ny KANTO

Sarimihetsika. Anisan’ireo nosafidiana ho mpitsara amin’ny andiany faha-10 amin’ny “Festival du film international de Duhok” na ny Fipresci i Aina Randrianantoandro. Anisan’ireo mpahay tsikera amin’ny sarimihetsika eto Madagasikara, ary efa manana ny lazany any ivelany izy, matoa antsoina ho any Duhok, hatramin’ny 16 desambra ho avy izao. “Street photography”. Fampirantian’ireo […]

Cop 28 – Andriambololona Mitia: « Handray andraikitra hanova ny toe-tsaina ny ankizy »

Tonga eto an-tanindrazana rehefa avy niatrika ny fihaonambe momba ny fiovaovan’ny toetry ny andro (Cop28) tany Dubai, ny 2 desambra ka hatramin’ny 11 desambra teo, Andriambo­lolona Ny Felam-panantenana Mitia. « Fifanakalozana, fahafantarana ny zava-misy maneran-tany momba ny fiovan’ny toetry ny andro. Fahafahana naneho hevitra, sns. Tombony lehibe azo nandritra iny fihaonana […]