Mois : décembre 2023

Ankadinondry Sakay sy Analavory: Nahazo milina mpamokatra mena-boanjo

Hamokatra mena-boanjo 5000 litatra isam-bolana ny taninketsa indostrialy nape­traka ao Ankadinondry Sakay, raha toa 2000 litatra izany nandritra ny andrana natao. Vonona hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ny ben’ ny Tanàna ao an-toerana raha nilaza kosa ny solombavambahoaka voafidy tao Fenoa­rivobe, Randrianarisoa Bien Aimé Arsène, nandritra ny fametrahana ny taninketsa indostrialy, ny […]

Credit fety 24h: hampidram-bola hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ar ny BNI

Mitohy hatrany ny tolotra ataon’ny BNI Madagascar hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa amin’izao ankatoky ny fety izao. Misy ny tolotra Credit fety 24H izay hahazoana fampidramam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa Ar, hampifalifaliana ny ankohonana amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny 6 desambra ka hatramin’ny 4 febroary izao ny fahazoana izany ary azo averina […]

Fambolena: hamokatra vary 5.600 taonina fanampiny ny lemak’i Marovoay

Hitombo hatrany amin’ny 5.600 taonina ny famokaram-bary ao Marovoay aorian’ny fahavitan’ny lemaka any an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny tan­jon’ny fahavitan-tena ny fampiroboroboa ny famokaram-bary eto Madaga­sikara. Andrasana hamoka-bary 5.600t fanampiny ny lakandrano lehibe ao amin’ny secteur 4,5,6 ao Marovoay. Hanondraka velaran-tany 7.235ha ny lakandrano aorian’ ny fahavitany ka tantsaha mpamboly hatrany […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy izao, ny hetsika anjara hetrako atao eny amin’ny zari­dainan’Antaninarenina. Ho azo eo no ho eo, mandritra izany, ny karatry ny mpandoa hetra. Tsy miova ihany koa ny fepetra takina amin’izany toy ny dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana ary vola 16 000Ar aloa amin’ny e-hatraphone. Antoka […]