Mangingina ratsy ny tontolo politika amin’izao? Miandry ny fanatanterahan’ny filohan’ny Repoblika fianianana eny amin’ny kianja Barea, Mahamasina, amin’ny 16 desambra ho avy izao. Hanao ahoana? Misy ny ambana amin’ny mety hisian’ny fanakorontanana mialoha na amin’io andro io. Manoloana izany, efa nisy fampitandremana nataon’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard, […]
Mois : décembre 2023
Tsy maintsy manadio !
Tsy sasatra ny miantso vonjy ho an’ny vahoaka malagasy. Tsy reraka ny misintona lakolosy amin’ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Mandry andriran’ antsy ny vahoaka na an-drenivohitra na any ambanivohitra. Tsy lavitra an’Antananarivo, sady mandroba amim-basy no maka takalon’aina ny jiolahy. Tsy misaron-tava fa feno fahasahiana sy fihantsiana amin’ny […]
Filoha Rajoelina Andry : nitondra ny teny fiarahabana ny filoha Sinoa, i Xi Jinping
Mbola manao ranolava hatrany. Anisan’ireo filoham-pirenena niarahaba ny filoha Rajoelina Andry, amin’izao fe-potoam-piasana faharoa hitantana ny firenena izao ny filohan’i Sina, i Xi Jinping. Nivoitra tamin’izany taratasy firariantsoa izany ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, ho amin’ny fampandrosoana. “Vonona izahay ny hiara-hiasa amin’ny filoha Rajoelina Andry […]
Kamiaobe nivadika…: olona efatra maty voatsindrin’ny entana
Olona efatra indray maty vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ambatolampy, fokontany Morarano, kaominina ambanivohitr’i Sarobaratra, distrikan’i Tsaratanana RN33A, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Teo amin’ny 2 km mialoha amin’ny lalana mihazo an’i Tsaratanana no nitranga ny loza. Kamiaobe iray mpitatitra vokatra mampitohy an’ Ambondromamy sy Tsaratanana ity namoa-doza ity. Feno […]
TSELATRA
Naratra mafy ireo mpianaka nianjera tamin’ny taxi-be omaly maraina teny Anosibe. Teo am-pidinana ny taxi-be izy mianaka no nandeha tampoka ny fiara ka nianjera tamin’ny arabe. Naratra teo amin’ny lohany ilay raim-pianakaviana ka voatery nentina haingana tany amin’ny dokotera. Na teo aza anefa izany avotra soa aman-tsara ihany izy mianaka. […]




