Mois : décembre 2023

AJT : nankalaza ny faha-75 taona ny zon’olombelona

Nanamarika ny datin’ny 10 desambra ny fikambanan’ny mpanao gazety ao Toamasina (AJT) sy ny fiarahamonim-pirenena mivondrona eo anivon’ny ONG Fafed, tarihin’ny filohany, Zafitsara Maria. Feno 75 taona ny nanambarana am-pahibemaso maneran-tany ny karazana andinin-dalàna sy fitsipika isan-tsokajiny (1948 – 2023). Entina hanatsarana ny rafi-piarahamonina izany ka ho zo hitsitrahan’ny tsirairay. […]

Fanavaozana ny lisi-pifidianana : nametraka paikady fanentanana ny fokontany

Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asan’ireo komity mpanisa mpifidy (CLRE) ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsene, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny paikady fanentanana ampiasain’ny fokontany any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny fivoriam-pokonolona sy ny fitetezana isan-tokantrano. Manampy izany ny fametrahana petadrindrina amin’ny toerana be mpandalo, toy ny amin’ny […]

ZDS Ikopa: Kaomandy vaovao ny Jly Dera Didier

Notontosaina ny 8 desambra 2023, tao amin’ny Bataillon Infanterie Antananarivo eny Fiadanana, ny lanonana ara-miaramila fandraisam-pibaikoan’ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa (ZDS Ikopa). Ny Jly Dera Zafindravola­mananarivelo Didier no voatendry ho kaomandy vaovao ny ZDS Ikopa. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Delphin. Nanome […]

Ady amin’ny kolikoly : mananika ny 190 ireo firenena miara-misalahy

Miara-misalahy amin’ny ady amin’ny kolikoly amin’izao fotoana izao ny firenena 190. Tafiditra anatin’izany i Madagasikara. Misandrahaka manerana ny firenena maro ny fisian’io tranga kolikoly io. Voakasika izany avokoa ny ankamaroan’ny sehatra miankina sy ny tsy miankina. Ny fanararaotam-pahefana, ny fanaovana tsolotra eny anivon’ny sampandraharaha maro samihafa. Tsy mijanona amin’ny firenena […]

INDRAY MIJERY

Nisitraka ny couverture santé universelle ihany koa ny tao amin’ny distrikan’i Ste Marie, faritra Analanjirofo. Rafitra napetraka hanenana ny vesatra ara-bola amin’ny fahasalamana napetraky ny fanjakana izy io. Maro ireo nisoratra anarana niditra ho mpikambana ao anatin’ny rafi-piantohana fahasalamana, ahafahana misitraka fitsaboana maimaimpoana. Nankalaza ny faha-50 taonany ny Tranon’ny Fitiavana, […]