Mois : décembre 2023

Albinos Madagascar : tena ilaina ny fahaizana manangana tetikasa

Tafiditra ao anatin’ny fi­kambanana 13, nisitraka fiofanana notanterahin’ny Initiative pour les petites associations locales (Ipal) ny fikambanana Albinos Madagascar. Niofana momba ny fananganana tetikasa sy fitantanana fikambanana ary ny mahakasika ny hetra izy ireo. “Ilainay fikambanan’ny olona varira ny fampiofanana toy izao, ahafahanay mampandroso ny mpikambana sy iseharanay amina zavatra ambonimbony […]

Tetikasa Produir : atao eny ifotony ny ady amin’ny herisetra

Manao ny tolona amin’ny ady amin’ny herisetra ihany koa ny tetikasa “Produir”. Mandritra ny asa ataony eny ifotony no manentana ny mponina izy ireo. Teny amin’ny fokontany Ambatomainty, kaominina Iari­narivo, izay samy nametrahan’izy ireo foto-drafitrasa no nanatantera­han’izy ireo izany, ny herinandro teo. Nanatanteraka hetsika fanentanana ny A2DM, ny Asa Taratra […]

Ady amin’ny fampiasana ankizy : tsara ny naotin’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa

Namoaka ny tatitra momba ny fampiasana ankizy ho an’ny taona 2022 ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny asa. Nahomby ny ezaky ny fanjakana. Nivoaka ny tatitra mahakasika ny ezaka nataon’ny firenena tsirairay mahakasika ny ady amin’y fampiasana ankizy. Tsara ny kaontin’i Madagasikara, ta­min’ny taona 2022. Hita ny ezaka ny firenena malagasy, […]

TARATRY ny KANTO

« Diary Nofy ». Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Librairie St Paul Analakely, ny atrikasa angano, andiany fahasivin’ny tetikasa «Diary Nofy». Niavaka kely ny tamin’ity andiany ity noho ny fisian’ny fampisehoana teatra niarahana tamin’ny Zara aina. “Blanche Neige 2.0”. Notanterahina omaly, teny amin’ny Aft Andavamamba, ny fampisehoana angano […]

Andrianarivelo- Razafy Andriamaniraka : notolorana « Grand-Croix de 2e classe »

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny «Le Marais» Ankorondrano, ny lanonana fanolorana ny mari-boninahi-pirenena «Grand- Croix de 2e classe», an’ Andrianarivelo-Razafy Andria­maniraka. Nitarika ny lanonana, Rakotonarivo Donatella, mpikambana eo anivon’ny Conseil de l’ordre national malagasy. Notolorana mari-boninahitra koa ny vadiny, Andrianarivelo-Razafy Noëli­ne sy ny zanany, Andriana­rivelo-Razafy Marcellin. Anisan’ny nahafantarana […]