Mois : décembre 2023

Nandrasana tetsy Analakely : halevina anio i Delacre Black Jack’s

Faran’ny herinandro tao anaty raho-mainty indray iny, ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny alin’ny zoma lasa teo mantsy Randriamirana Jean de La Croix, na i Delacre, fantatry ny maro amin’ny maha lehiben’ny tarika Black Jack’s azy. Rehefa avy nandrasana tao an-tranony, teny Ambaniala Itaosy, nentina tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely kosa […]

Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona : tontosa omaly ny lanonam-panjakana ho an’ny hiragasy

Niavaka noho ny mahazatra ny lanonana tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy, omaly. Hafaliana no hita soritra teny amin’ny tsirairay, noho ny nahatafidirana ny hiragasy ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona. Fanambarana manetriketrika. Ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard, mihitsy no tonga namaky ny fanambarana ofisialy, fa tafiditra ho anisan’ny harem-bakoka […]

FANTINA sy FINTINA

Efa mivonona ny hanolotra anarana praiminisitra ho lehiben’ny governemanta ny parlemantera IRD. Nambaran’ny filohan’izy ireo, ny depiote Velontsara Paul Bert, fa mbola hisy ny dinika hataon’ ny maro anisa momba izany. Tahaka izany koa ny hanolorana minisitra. Mbola hitohy anio, raha tsy misy ny fiovana, ny fanadihadian’ny zandary, sampana misahana […]

Otrikafo : “Tsy tokony hanavahana olona ny asan’ ny Arai”

“Mahafinaritra kokoa ny ezaka sy ny asa, raha tsy anavahana olona izay atao”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrika­fo, Rabevahiny Elia, momba ny asan’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai), amin’ny fanagaziana fananana azo amin’ny kolikoly na […]

Alao hery àry!

  Foto-dresaka amin’izao ny amin’ny sosialim-bahoaka. Nahoana? Eo ny fampanantenan’ny filoha hijery akaiky amin’izay ny fiainam-bahoaka. Mba tsy hisy hadino? Hiaraha-mahita eo… Mahabe resaka amin’izao ny hoe: hatraiza ny fisitrahan’ny vahoaka ifotony ny fampandrosoana? Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Tsy mampindrana fahefana azy fotsiny ny vahoaka, fa ny […]