Mois : décembre 2023

Lomano-Thaïlande: nahazo medaly volamena roa sy volafotsy iray i Tendry

Fahombiazana tanteraka no azon’i Tendrinavalona Tendry Diaritiana, nandritra ny fifaninanana taranja lomano, tany Thaïlande. Medaly volamena roa sy volafotsy iray no norombahiny nandritra izany, teo amin’ny sokajy 50m, 100m ary 200m dos. Tsy vitan’izany fa nahavita nanatsara ny fe-potoana tsara indrindra ihany koa izy tamin’ity fifaninanana ity. Zava-bita tsara indrindra […]

Sombim-baovao

Hotanterahina anio 28 sy rahampitso 29 desambra, ny fifaninanana basikety 3X3 “Agnambahy mifety”, andiany fahatelo. Fifaninanana karakarain’ny ligin’Atsimo Andrefana, hatao ao amin’ny CEG Farafangana, manomboka amin’ny 8 ora maraina ny lalao. Nanomboka omaly 27 desambra ny fiofanana ho mpitsara sy mpanazatra eo amin’ny taranja volley-ball. I Fianarantsoa no nisitraka izany […]

Nanao sasakalina: lasan’ny jiolahy ny vilany feno laoka

Lasan’ny jiolahy ny entana sarobidy rehetra tao amina tokantrano iray eny Anosibe Mandrangobato I, ny alahady alina teo. Lasa nandeha namonjy sasakalina tamina fiangonana iray eny amin’ny manodidina ny fianakaviana tompon-trano ka nanao ny nataony koa ny jiolahy. Tsy vitan’izay fa nalain’ireo olon-dratsy hatramin’ny vilany feno laoka hiatrehana ny fety […]

Fisolokiana: olona  an’arivony lasibatra

Niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny fikatonan’ny tranokalam-pifandrasaina manodim-bola iray, omaly. Roboka tamin’ny fisiana tranokala iray milaza ho mpanodim-bola ny ankamaroan’ny tanora sy ireo maniry ny hampitombo vola vetivety. Mametraka vola anatin’ny tranokala  mpikirakira ny olona iray.  Manana rindrambaiko « logiciel » manokana misahana izany ilay tranokala. Tena nahasarika […]

Ambatovy-Moramanga: niomana amin’ny loza ny BNGRC

Nifanome tanana tamin’ny lehiben’ny distrikan’i Moramanga ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC). Tanjona ny hanatsarana ny fiomanana amin’ny mety ho fisian’ny loza mitranga tampoka sy tsy nahy ateraky ny fitrandrahana ataon’Ambatovy ao an-toerana. Voakasika manokana ireo mipetraka sy ireo manana anton’asa manodidina ny toeram-pitrandrahana […]