Mois : décembre 2023

Hiffim : “Tsy tenenina fotsiny ny sosialim-bahoaka”

“Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny mijery izay tokony hatao. Nilaza izy fa tazonina izay miasa tsara. Anjarany ny mitsara raha misy niasa tsara”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, ny amin’izay ho firafitry ny governemanta vaovao eo. Alaina tsirairay […]

Vonjeo ny tantsaha !

  Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny andavanandron’ny mponina. Mifanindran-dalana amin’izany koa anefa ny tsy fandriampahalemana. Tena mihorohoro ny mponina amin’izay rehetra aleha. Tena mila vonjy ny any ambanivohitra. Mikaikaika amin’ny hafitsoky ny dahalo. Tsy ny malaso mirongo fitaovam-piadiana ihany fa hatramin’ny dahalo ambony latabatra. Zary tsy matoky intsony ireo mpisehatra […]

Raboanarijaona Holijaona: “Ilaina ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana”

Namaly ireo tsikera samihafa momba ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny mpomba ny fitondrana. Nambaran-dRaboanarijaona Holijaona fa efa mazava ny momba izany. “Raha tsy misy ny fa­hamarinan-toerana, tsy misy ilay fom­ba fitenin’ny filoha Rajoelina hoe tsy maintsy mandroso i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny fikambanana Emergence de Madagascar, Raboanari­jaona Holijaona, manoloana ny […]

TSELATRA

Lehilahy iray tsy nisy loha indray no hitan’ny fokonolona tao Ilakaka, afakomaly tolakandro. Efa ho telo herinandro io lehilahy io no novonoina raha ny voka-pitiliana nataon’ny mpitsabo. Potika tanteraka ny razana saingy hany sisa namantarana azy ny kara-panondro teny aminy. Mpisandoka ho kalanoro roa lahy voasambotry ny fokonolona tao Andapa, […]

VOLA SANDOKA : jiolahy roa nahatrarana vola 1 080 000Ar

Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ireo jiolahy roa nahatrarana vola sandoka mitentina 1 080 000Ar tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Milanoa, distrikan’i Vohémar, ny 29 novambra 2023 teo. Mampitaraina ny mponina ny fisian’ireo vola sandoka miparitaka ao amin’ ity kaominina ity ka antony nahatonga ny zandary nanao hetsika manokana hamongorana sy hikarohana ireo […]