Mois : décembre 2023

TARATRY ny KANTO

Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny Aka­demia Malagasy, Tsimbazaza, ny « Andro Régis Rajemisa-Raolison ». Lohahevitra amin’izany ny « Régis Rajemisa-Raolison, (1913-1990) : oloben’ny teny, ny literatiora, ny kolontsaina malagasy ary ny fampianarana sy ny fanabeazana ». Hetsika hotanterahina ny alakamisy 7 desambra, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny hisian’ny velakevitra miisa 5 […]

Sitraka Randriamahaly : tafapetraka amin’ny toerany

Anisan’ny Malagasy mpanatontosa sarimihetsika ni­songadina nandritra iny «Ma­dagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha-180 farany teo iny, i Sitraka Randria­mahaly. Voafidin’ny mpitsara homena ny « Mention spéciale », tao anatin’ny sokajim-pifaninanana « Animation Panafricaine » izy, niaraka tamin’ilay horonantsary « Rough world ». Araka ny nambarany, ao anatin’ny vina ny amin’ny hiatrehana ny PIAFF 2024, any Paris izy amin’izao miaraka amin’ny horonantsariny “Rough World”. […]

“World Choral Day”: haneho an-tsehatra ny “Messiah” ny ICanto

Andro iraisam-pirenena ho an’ny antoko mpihira. Mankalaza izany koa isika eto Madagasikara. Seho klasika anisan’ny malaza indrindra no hanamarihan’ny ICanto izany. Nanomboka ny taona 1990 no nanamarihana ny « World Choral Day ». Nosafidiana maneran-tany fa isaky ny alahady faharoan’ny volana desambra no hatokana ho an’ireo antoko mpihira, ka miovaova ny daty, araka izany. […]

Indostria eto Madagasikara : Ezaka vaovao hampandrosoana ny toekarena ny ODOF

Imasoana ny fametrahana indostria eto amintsika. Tafa­pe­traka ny Filan­kevitra nasionaly ho an’ny indostria eto Mada­ga­sikara (CNIM), tamin’ ny 20 novambra teo, tao amin’ny Econo­mic Deve­lopment Bo­ard of Mada­gas­car (EDBM). Lany ho filoha Rasoa­manana Chris­tian. Nanokatra ny fotoana ny minisitra Ra­za­findravahy Edg­ard. Politika arahina amin’izany ny hoe distrika iray ha­norenana indostria […]

FANTINA sy FINTINA

Nifarana ny fotoam-piasan’ireo eo anivon’ ny biraon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy Mbolatiana, filoha lefitra fa hatao anio, ny famindram-pahefana ho an’ny birao vaovao. Namory ireo mpanao politika sasany, Ravalo­manana Marc, omaly. « Tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika fa ny fanavotana ny […]