Mihazakazaka ny fitontongan’ny vola malagasy. Ankehitriny, efa hananika ny 5 000 Ar ny 1 euro. Omaly, tokony ho tamin’ny 3 ora sy 16 minitra, mitentina 4960Ar ny sandan’ny Euro iray, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tafakatra hatrany amin’ ny 4518Ar kosa ny dolara iray. Azo lazaina ho marin-toerana […]
Mois : décembre 2023
Fanondranana : nampiditra 3 miliara Ar mahery ny nikela sy kobalta
Mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fanondranan’i Madagasikara nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nihena anefa ny vidiny, nilatsaka ihany koa ny vokatra naondrana. Manodidina ny 35 000 t ny vokatra nikela sy kobalta naondran’i Madagasikara tao anatin’ny enim-bolana voalohany, tamin’ity taona ity. Nilanja 3 900t kosa izany tamin’ny volana […]
VAOVAO TAMBATRA
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) sy ny mpandraharaha amin’ny mikraofinansa (IMF). Anisan’izany ny Cecam, ny Smmec, ny PAMF, ny Vola Mahasoa ary ny NIM. Hatsangana koa ny sompitra iombonana eny ifotony, hitahirizana ny vokatry ny tantsaha. Feno 35 taona amin’ity taona ity ny Sekolim-pirenena […]
Fidangan’ny vidin’entana: tafakatra 3 400 Ar ny kilaon’ny vary gasy
Miakatra tsikelikely hatrany ny vidim-bary eto an-drenivohitra. Omaly, tafakatra 3 400 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena, na 1 000 Ar ny kapoaka etsy amin’ny Pavillon Analakely. Tsy nametraka takelaka milaza ny vidiny ilay mpivarotra, fa lazainy fa mihemotra ny mpanjifa raha vao mahita ny vidiny satria lafo. Amidy 3 […]
Renirano Kamoro Maevatanana: mpitrandraka volamena an-tsokosoko tratra
Miverina indray ny fitrandrahana an-tsokosoko volamena ao amin’ny reniranon’i Kamoro any Maevatanana. Nidina ifotony ny minisitera, ka teratany vahiny miisa 10 no tratra. Nahazo fitarainana ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), fa misy indray ireo mpitrandraka volamena an-tsokosoko ao amin’ny reniranon’i Kamoro, kaominina Marokoro, distrika Maevatanana. […]




