Mois : décembre 2023

Ramamimampionona Gérard: “An’ny Malagasy rehetra izay ho Praiminisitra eo”

“Amin’izao fotoana izao, lasa iadiana ny hoe tokony ho aty aminay ny Praiminisitra. Avy aty aminay na hoe zanakay, afovoantany na anindrantany. Toy ny manambara izany hoe angaha tsy iray ihany ny Malagasy”? Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny ho fanendrena  Praiminisitra. Tsy hoe avy atsy […]

Fantina sy fintina

Namory ireo governora rehetra ny minisitry ny Atitany. Nanteriny fa haverina ny filankevitry ny faritra. “Tanjona ny handraisana fanapahan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana iarahana amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra. Manao tatitra ny asa vita isan-telovolana koa ny rehetra”, hoy izy. .   “Misy fanjakana ve eto ? “, hoy ny […]

Lesoka fakana lesona

Andro iray sisa dia hivalona tanteraka ny taona 2023. Taona izay nisehoan-draha maro teto Madagasikara. Nisy ny nahafinaritra sy ny nahasoa. Tsy takona hafenina kosa ny ngidim-piainana izay tena niantraika hatrany anaty vilanin-dRamalagasy. Tena taonan’ny fahantrana faobe sy fijaliana nihoapampana izany ho an’ny sarambabem-bahoaka.  Mampieritreritra! Etsy ankilan’izay, tsy azo odian-tsy […]

Tselatra

Niteraka faharatrana ho an’ny mpandeha sasantsasany ny fivadihan’ny fiara fitanteram-bahoaka tetsy Ambohidavenona Ampitatafika, omaly. Nandeha mafy io fiara io, kinanjo nisy olana tampoka teo amin’ny familiana rehefa niala olona niampita tampoka ny mpamily. Tsy nisy namoy ny ainy.   Lehilahy iray nikasa hamono tena indroa nisesy saingy tsy maty fa […]

Ampanefy: jiolahy tratra nangalatra kisoa

Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Atsimondrano teny Ampanefy, omaly, ny jiolahy iray tompon’antoka tamina halatra kisoa. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana trangana halatra biby fiompy ao amin’ny faritra Ambohidronono, kaominina ambanivohitr’Ampanefy. Ireo kisoa no tena lasibatra amin’izany. Tsy mety tratra rahateo koa ireo mpangalatra, raha ny […]