Mois : décembre 2023

Tenisy ambony latabatra : nahazo medaly alimo i Fabio sy i Antoine

Nanakoako tany Italie indray, ny faran’ny herinandro teo, ny lazan’ny tenisy ambony latabatra malagasy. Nandrombaka ny medaly alimo teo amin’ny fihaonana ho an’ny olon-droa miaraka lehilahy mantsy i Fabio sy i Antoine. Tsy mitsahatra ny mitondra avo ny lazan’i Ma­dagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny taranja tenisy ambony latabatra. Nandrombaka […]

Akany Fitiavana : nisitraka vary 2 gony avy amin’ny kaominina Antananarivo

Nisitraka vary 2 gony ireo olona manana fahasembanana ao amin’ny Akany Fitia­vana, etsy Faliarivo Amba­nidia, ao amin’ny boriborintany faharoa, omaly. Nanolotra izany ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra. Mitaiza olona sembana sy zaza kamboty ny akany. Lehilahy 12 sy vehivavy 10, anelanelan’ny 14 hatramin’ny 54 taona izy ireo. “Fanome­zana avy […]

CUA, BNI, Axian : maro ny fotodrafitrasa nohavaozina

Fararanom-pitokanana omaly, ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Vita ary notokanana ny efitrano fitsaboana nasiam-panavaozana ao amin’ny to­bin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana. Natolotra ihany koa ireo fitaovana vaovao izay ilaina amin’ny sehatry ny fahasalamana hampandehanana ny tobim-pahasalamana. Notokanana, omaly, koa ny tobim-pahasalamana ao amin’ ny tobin’ny vondrona […]

Kaominina Antananarivo : eny Ampefiloha Ambodirano ny hetsika ara-pahasalamana

Mitohy hatrany ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny kaomi­nina Antananarivo Renivohitra. Anjaran’ny mponina eny Ampefiloha indray no misitraka izany. Nitsidika ny hetsika ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nanomboka ny talata ary hifarana anio ny hetsika ara-pahasalamana. Niom­pana tamin’ny fanentanana amin’ny fiarovan-tena sy ny tsy fanilikilihana ny olona voan’ny […]