Kaominina Antananarivo : eny Ampefiloha Ambodirano ny hetsika ara-pahasalamana

Mitohy hatrany ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny kaomi­nina Antananarivo Renivohitra. Anjaran’ny mponina eny Ampefiloha indray no misitraka izany.

Nitsidika ny hetsika ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nanomboka ny talata ary hifarana anio ny hetsika ara-pahasalamana. Niom­pana tamin’ny fanentanana amin’ny fiarovan-tena sy ny tsy fanilikilihana ny olona voan’ny VIH/Sida no nampiavaka ny hetsika teny an-toerana. Mbola ato anatin’ny volana fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho amin’izany indrindra isika.
Ankoatra ireo tolotra nomen’ny CUA, nisy ny fitiliana Hépatite B sy Hépatite C izay areti-mandoza sy mifindra haingana. Teo koa ny fitiliana diabeta izay efa miha betsaka ny voany amin’izao fotoana. Ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida, fijerena maso ary ny fitsaboana raboka sy tazomoka.
Nahatratra 450 ireo olona tonga nanao fizaham-pahasalamana tao anatin’ny hetsika hatry ny omaly. Nisaotra ny ben’ny Tanàna ny mponina satria maro ireo tsy afaka mandeha eny amin’ny CSB noho ny antony maro ka fo­toana ahafahana manao fizaham-pahasalamana maimaimpoana ny fisian’ny fi­niavana midina ifotony toy izao. Anjaran’ny boriborintany faharoa indray ny hetsika ara-pahasalamana manaraka.

Tatiana A

Partager sur: