Fararanom-pitokanana omaly, ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Vita ary notokanana ny efitrano fitsaboana nasiam-panavaozana ao amin’ny tobin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana. Natolotra ihany koa ireo fitaovana vaovao izay ilaina amin’ny sehatry ny fahasalamana hampandehanana ny tobim-pahasalamana. Notokanana, omaly, koa ny tobim-pahasalamana ao amin’ ny tobin’ny vondrona polisy monisipaly Anosipatrana, ahafahana manara-maso ny fahasalaman’ny mpamonjy voina.
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny BNI Madagasikara ary ny Groupe Axian, tamin’ny alalan’ny Programa «Salama BNI» nahafahana nanatanteraka ny asa.
Nilaza ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, fa betsaka ny ezaka efa vita momba ny fikarakarana ny fahasalamana ho an’ny vahoaka.
Tatiana A




