Nahemotra amin’ny 27 janoary 2024 ny hetsika “Misy mihaino?”. Antony, mikatona manomboka ny 22 desambra ka hatramin’ny 4 janoary 2024 ny Cercle Germano-Malagasy. « Misy mihaino ? », famelomana ampahana tantara fandefa amin’ny Radio, holalaovin’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra, natao ahatsiarovana ireo zoky nampianatra sy nanofana ny Faribolana Sandratra. Nodimandry i Fleur. […]
Mois : décembre 2023
“Festival Tsika Jiaby” ANY FRANTSA : homena sehatra ny mozika malagasy
Sambany! Izay vao hisy hetsika lehibe ho an’ny kolontsaina amin’ny ankapobeny sy ny mozika malagasy manokana. Hotontosaina any Frantsa ny “Festival Tsika Jiaby”. Telo andro an-danonana, hanandratana ny zavakanto malagasy, ny 18 hatramin’ny 20 mey 2024 izany. Hatao ao amin’ny “Domaine de Courson”, any Courson-Montloup, Frantsa, ity hetsika lehibe ity. […]
Fiverenana ifotony : mila mitandrina ny Malagasy
Miroborobo fatratra ankehitriny, ny fivoizana ny fiverenana eny an-doharano na ny fiverenana ifotony. Saika tratran’io avokoa ny sehatra iray manontolo, indrindra fa ny kolontsaina sy ny zavakanto. Niharan-javatra maro anefa ireo raha ny tranga hita teto Madagasikara. Noho izany, mila mitandrina fatratra ny Malagasy. Ny fahalalana, ohatra, nozimbazimbain’ny vahiny ka lasa […]
« Slam Session »: anisan’ny mandray ny hetsika ny Tranomboky monisipaly
Manomboka miverina tsikelikely sy mihamitombo ny hetsika ao amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. Efa ahitana ny seho “Slam poèsie” ihany koa eny an-toerana manomboka izao. Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny hetsika “Slam Session”. Seho an-tsehatra karakarain’ny Madagaslam section tana (MST) sy ny avy eo amin’ny Tranomboky monisipaly […]
Asa eny anivon’ny haino vaky jery : manabe ny maha olona iray manontolo ary mampandroso ny firenena
Mihevitra ny ankamaroan’ny olona fa mitana andraikitra goavana sy tena miasa ary herin’ny haino vaky jery anankiray ny mpanao gazety, raha ny fanadihadiana natao. Voakasik’izany, ny tontolon’ny radio sy ny fahitalavitra, raha ny fanehoan-kevitr’izy ireo hatrany. «Ampahany kely fotsiny ny anjara toeran’izy ireny eny anivon’ireny karazana haino vaky jery misy […]




