Mois : décembre 2023

FANTINA sy FINTINA

Hametra-pialana anio, eo anivon’ny filanke­vitry ny minisitra, ny governemanta Ntsay Christian. Hanohy ny fampandehanan-draharaha ireo minisitra manomboka izao raha any amin’ny fiandohan’ny taona any kosa vao mety hanova ny governemanta ny filoha. Tapitra ny 72 ora nomen’ireo raiamandreny ara-drazana ka mbola nanampy 48 ora indray izy ireo. Takin’izy ireo ny […]

Fanohizana ny tolona : vonona hiatrika fifidianana ny C11

Namoaka fanambarana ny vondron’ny kandidà (C11). Naneho fahavononana amin’ ny hiatrehana ny fifidianana rehetra izy ireo saingy nametraka fepetra. Anisan’izany ny fanatsa­rana ny tontolom-pifidianana sy ny fanajana ny lalàna velona “Antoka ho an’ny fitonian’ny firenena izany”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ny C11 koa ireo fitakiana efa natao mba hisorohana ny krizy […]

Tsy fiadY hevitra

  Nahoraka manerana an’izao tontolo izao ny fizaram-baovao nataon’ny foiben’ny fiketrahana masina avy any Vatican, omaly alina. Indrindra mahakasika ilay resaka « fitsofan-drano » ny fanambadiana maningana na tsy mahazatra. Nizarazara be ny hevitra, nihazakazaka ny torapo isan-karazany. Zary mpahay ny tenin’ny soratra masina sy ny teolojia daholo indray Razanakolombelona. Ho […]

Fananana tsy ara-dalàna : fiara miisa 11 nataon’ny Arai lavanty

Nanatanteraka ny fanaovana lavanty ireo fananana nogiazany ny eo anivon’ny Sampandraharaha famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), omaly. Fiara maromaro izany ary mbola misy hafa koa.* Fiara miisa 11 giazan’ny eo anivon’ny Arai no natao lavanty teny amin’ ny foibeny, Imerimanjaka Am­bohijanaka, omaly, na tsy […]

TSELATRA

Maty tsy tra-drano ny mpandeha bisikileta nifandona tamina taksiborosy iray, afakomaly, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampofo, Pk 243, RN 7. Hihazo an’Antananarivo io taksiborosy io no nifandona tamin’ity mpandeha bisikileta ity. Nisy tamin’ireo mpandeha tao anaty fiara koa no naratra mafy ka voatery nentina hopitaly haingana. Mbola manaraka fitsaboana […]