Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba ilay fitsofan-drano ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny sekretera mpandrindra ny Fivondronamben’ny eveka, ny mompera Rafanomezantsoa Seraphin. Nohamafisiny fa tsy mitsodrano izany ny EKAR. “Tsy hisy mihitsy ny fitsofan-drano ny fiarahan’ny olona mitovy taovam-pananahana. Tsy midika izany fa tsy ilaina […]
Mois : décembre 2023
INDRAY MIJERY
Vata fampangatsiahana 3 sy kojakoja miaraka aminy no natolotra tao amin’ny Malagasy Medical Analysis Laboratory na ny laboratoara (LA2M) eny Androhibe. Avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Fond Mondial no nahafahana nanolotra izany. Manampy betsaka amin’ny fitehirizana ireo vaksiny ny fitaovana azo. Nantitranterin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa manana andraikitra sarobidy ny sampandraharahan’ny fitehirizan-dra etsy […]
FAHATAPAHAN’NY LALANDRA : «Olona iray isaky ny adiny 8 no tratrany»
Miresaka mahakasika ny fahavakisana na fahatsentsenan’ny lalandra (AVC) ny dokotera Razafimahefa Julien, manam-pahaizana manokana momba ny fo sy ny lalandra, ao amin’ny hopitaly Befelatanana. Nolazainy fa olona 1 isaky ny adiny 8 no tratran’ny AVC eto Madagasikara. Izay no voarakitra eny anivon’ny hopitaly fa mbola misy anefa ireo olona mijanona […]
Rotsakorana: ampitandremina ny afovoantany
Ambany ny tsindrin’ny atmosfera eto Madagasikara amin’ity herinandro ity, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Hisitraka orana ny faritra maro ankoatra ny any Atsimo sy Atsimo Andrefana. Hahazo vahana kosa ny oram-baratra ho an’ny faritry ny afovoantany, anio. Mila miomana amin’izany ny rehetra tsy maintsy hivoaka […]
Taom-pahavaratra 2022-2023 : faritra 10 amin’ny 23 nitondra faisana vokatry ny rivodoza
Ilaina ny manavao ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana toy ny rivodoza, hampihenana ny voka-dratsy amin’ny olona sy ny fihariany ary ny fotodrafitrasa samihafa. Taorian’ny faritra hafa, anjaran’ny faritra Boeny ny fanatontosana atrikasa fanavaozana ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana (PCR), notarihin’ny Prefen’i Mahajanga sy ny talen’ny Cervo, Razafimandimby John Herimiandry. Notronin’ireo […]




