Depiote Jocelyne Maxime: “Ny fitiavana no mibaiko ahy”

Nambaran’ny depioten’ Antsiranana, i Jocelyne Max­ime, tamin’ny mpanao gazety ny asa vitany nandritra ny taona 2023. “Ny fitiavana ny vahoaka no mibaiko ny tenako. Tsy natao ho rehareha fa mitaky asa sy ezaka izany”, hoy izy. Notsiahiviny anefa fa mpanao lalàna ary mihaino ny vahoaka ny tenany ka mitondra izany any amin’ny fanjakana.
Anisan’izany fanamboarana biraom-pokontany sy toeram-pivoahana. Eo koa ny moto ho an’ny mpitandro filaminana sy ny “Machine à écrire” ho an’ny prefektiora, ny “Imprimante” ho an’ireo sefo fokontany miisa 25.
Ny fanatsarana ny “Maison du Quartier – Grand Pavois” sy ny fiangonana katolika ao Joffre Ville. Ny fampitaovana antoko mpihira. Niantoka ny saran-dalan’ireo advantista nandeha nanao fivoriambe. Manampy izany ny tafo ho an’ny FLM ao Ambalavola ary ny fanomezana loko sy tapis ho an’ny “Mosquée Scama”. Ny “Post Wifi” maimaimpoana. Ny fampitaovana ireo hopitaly ao Antsiranana…

Synèse R.

Partager sur: