Hanao ahoana ity taona ity? Indrindra ny amin’izay hisian’ny fitoniana politika… Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Tokony hisokatra amin’ny fakan-kevitra sy fivoriana lehibe hahitana ny ankolafin-kery rehetra ny fitondrana.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Inona no tokony hatao hisian’ny fitoniana politika?
I Namearison Robert (-): Tokony hisokatra amin’ny fakan-kevitra sy fivoriana lehibe hahitana ny ankolafin-kery rehetra ny fitondrana. Amin’izany no handinihana izay hanatsarana an’i Madagasikara. Tsy fidirana ao amin’ny governemanta amina fepetra ny hoe misokatra. Ho an’ny fanoherana, tsy tokony hanohitra bontolo raha miantso amin’izay fivoriana fakan-kevitra izay ny fitondrana. Tsy atao tsianjery ny hoe mahantra ny Malagasy, fa tokony hisintonana azy haneho ny heviny amina toerana iray hahazoana manoritra lalana iombonana hamoahana ny Malagasy amin’izay fahantrana izay.
* Ary ny hataon’ny vahoaka?
– Nampanantenaina ny vahoaka amin’izao… Ny ampahany nifidy, manantena fa ho azony izay nampanantenana azy; ireo tsy nifidy, manantena fa tsy ho ela ny fitondrana fa izay olona mety aminy no ho eo. Raha hatambatra izay fanantenana izay, ka mikaondoha amina toerana iray isika: ho hita amin’izany ny maha Madagasikara an’i Madagasikara. Olon-kendry ny Malagasy, tsy voaozona hahantra. Ny zava-misy: lasa mpanao afera ny mpandraharaha toekarena vitsivitsy avy amin’ny faritra, miara-miasa amin’ny mpanao politika vitsivitsy mihazona fitondrana, ary mitady ny soa ho azy manokana. Tsy mahasoa ny firenena izay.
Nangonin’i R. Nd.




