Governemanta : Minisitra 15 voatazona

Mbola voatazona amin’ny toerany ny minisitry ny Fitsa­rana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, Razafindravahy Edgard. Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèle. Hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa kosa, i Lalatiana Rakotondrazafy. Mi­nisitry ny Fizahantany ary nampiana ny departemantan’ny asa tanana, Andriamandrato Joel. Minisitry ny Haitao ara-kajy mirindra, ny paositra, Razafindramamy Tahina. Minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Ndriamihaja Livah. Minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valerie. Minisitry ny Rano, Ravokatra Fidiniavo. Minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Olivier ary ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa Haja.
Nesorina kosa ny minisitry ny Fiarovana, ny Jly Rakoto­arijaona Josoa. Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla. Ny minisitry ny Filaminana, Randrianarison Fanome­zan­tsoa. Ny minisitry ny Fanajariana ny tany, i Pierre Holder. Ny minisitry ny Asa, Jean Bosco. Ny minisitry ny Fampiana­rana Ambony, Assomacou Beatrice. Ny minisitry ny Angovo, Andriamanampisoa Soloniaina. Ny minisitry ny Fambolena, Ramilison Harifidy. Ny minisitry ny Fampianaraka teknika, Vavitsara Gabriella. Ny ministry ny Tontolo iainana, Vina Orlea. Minisitry ny Asa tanana, Ratsiraka Sophie. Minisitry ny Mponina, Soafilira Princia. Ny minisitra lefitra momba ny fiompiana, Dr Raymond sy ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao, Andriamanohisoa Gerard, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jly Gellé Serge.

Synèse R.

Partager sur: