Soalihy Moussa : «Mila mahay maka lesona ny mpitondra»

“Marina tokoa hoe nanomboka tamin’ny 1991 no ho man­katy, tsy nisy filoham-pirenena nahavita ny fe-potoam-piasana faharoa. Mila mahay maka lesona izany ny mpitondra, jerena ny hoe: inona tokoa no nahatonga an’izay hoe fe-potoam-piasana faharoa somary marefo izay?”. Io ny fijerin’ny mpandinika raharaham-pirenena, i Soalihy Moussa. Tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana, ohatra, niakatra ny harinkarena. Miakatra hatrany izany rehefa fe-potoam-piasana faharoa: eo amin’ny 7-8 eo ny taham-pitomboany. Manangana ny fototry ny fampandrosoana ny fe-potoam-piasana voalohany, fa amin’ny faharoa vao tena misitraka izany. Matetika, alaim-panahy ny mpitondra rehefa miakatra ny harinkarena, lasa be haingitraingitra. Toa ny filoha Ravalomanana nividy fiaramanidina, fa tsy nifantoka tamin’ny sosialim-bahoaka.
Raha jerena ny andry telo hitondran’ny filoha Rajoelina ny fanjakana dia hifantoka bebe kokoa any amin’ny sosialim-bahoaka. Raha tanteraka antsakany sy andavany izay, tsy hisy izay fe-potoam-piasana faharoa marefo izay fa ho vita hatramin’ny farany. Raha tena hataony ny sosialim-bahoaka toy ny angovo, ny famoronana asa, sns, tsy adala ny olona ka hanongana azy na eo aza ny mpanohitra. Tsy mahay maka ny fon’ny olona ny mpanohitra, fa tsy izay tena maharary ny olona no resahiny. Ny vondron’ny kandidà, ohatra, dia ny fizakana zom-pirenena sy ny lalàm-pifidianana no noresahina izay tsy maharary ny vahoaka.

R. Nd.

Partager sur: