“Sahy miteny aho fa hahita vokatra haingana sy vetivety ity fitondram-panjakana tantanan’ny filoha Rajoelina sy ny praiminisitra Ntsay Christian ity”, hoy ny depiote IRD voafidy tany Tsiroanomandidy, Ramaherijaona Haja, momba ny governemanta vaovao. Misy mieritreritra fa saro-piterahana ny governemanta. Nefa ny manao zavatra tsy mora, ny mora koa tsy zavatra. Tena teknisianina ary hahafehy ny departemantany ny 90% amin’ ireo minisitra. Tsy nijerena taona izany, fa misy tanora ary misy zokinjokiny efa voky traikefa.
Fomba fanaon’ny olom-panjakana ambony any amin’ ny firenena mandroso ny fianianana. Raha nampiharina izany, ho an’ny vahoaka izay faly sy nankato ny ankamaroany. Olona vonona hiasa sy hanatanteraka asa izany mianiana izany. Tsy hitany izay hokianina amin’izany. Manao fianianana, ohatra, ny mpitsara rehefa handray ny asany. Toy izany koa ny filoham-panjakana any ivelany. Zava-dehibe izany ary manan-danja ny fianianana eo imason’ny vahoaka hotantaniny ary eo imason’ ny fanjakana sy ny lalàna.
R. Nd.




