Fifidianana kaominaly: tsy maintsy handray fepetra ny governemanta

Manoloana ny fahatape­ran’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina, izay nifarana andro vitsy lasa izay. Nanambara ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarina ny tany, Andriantsitohaina Naina, fa tsy maintsy handray fepetra ny governemanta mba hahafahana mandamina ny fotoana, manomboka izao ka mandra-pahatongan’ny fifidianana. Natao izany ho fanarahana ny lalàna sy handaminana izany fifidianana kaominaly izany.
Miteraka resabe ankehitriny ny mahakasika ity fifidianana kaominaly ity. Raha ny AVIS 08-HCC/AV, tamin’ny 22 Aogositra 2019, momba ny fakan-kevitra ny toe-draharaham-panjakana amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasana’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, ny 18 septambra 2019, nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta teny anivon’ny HCC tamin’ny 19 Aogositra 2019. Ny Andininy Voalohany ao anatin’io AVIS 08-HCC/AV io dia nanome fahefana ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina lany fe-potoam-piasana ho mbola azo tazonina mandritra ny fotoana tsy voafetra mandra-pifidy izay handimby azy ireo. Ny Andininy fahatelo, milaza fa ny fepetra voalazan’ny Andininy 309 ao amin’ny Lalàna 2014-020, azo ampiharina manomboka amin’ny famoahana ofisialy ny lisitr’ireo kandidà amin’ny fifidianana kaominaly ho avy. Io Andininy io izay mamaritra fa ny mpanolotsaina sy ny ben’ny Tanàna miaraka amin’ny lefiny izay hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana kaominaly manaraka dia miala avy hatrany vantany vao voaray ny filatsahan-kofiadiany. Ny lefitry ny ben’ny Tanàna izay tsy mandray anjara amin’ny fifidianana no miantoka ny fampandehan-draharaha ho an’ny kaominina voakasik’izany.

Lin

Partager sur: