Aiza ho aiza ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale) amin’izao? Hita hoe mila entanina ny olom-pirenena. Manazava ny talen’ny serasera sy ny fanabeazana ary ny fanentanana momba ny fifidianana eo anivon’ny Ceni, Ratsimandresy Tianahanantsoa: “Misy adidin’ny olom-pirenena ny fahamarinan’ny lisi-pifidianana tsy hisian’ny anarana miverimberina”. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana?
Ratsimandresy Tianahanantsoa (-): Ny 1 desambra-15 mey ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale). Hatramin’ny 15 febroary ny fisoratana anarana sy ny fanalana izay tokony hoesorina. Efa tokony hampiakatra ireo karne voalohany eny anivon’ny fokontany izao ny Ceni, hahazoana ny salanisa voalohany sy ny manombana ny fandehan’ny Rale. Izay no anentanana ny olom-pirenena tsy mbola tafiditra hisoratra anarana. Anaovana hetsika manokana izay vao feno taona amin’izao: midina eny anivon’ny lycée, ohatra, ny Ceni manentana ireo manana karapanondro. Ampahafantarina amin’ izany ny Rale: maninona no tokony hisoratra anarana, inona no tombony amin’izany?
* Misy ve ny fiaraha-miasan’ny Ceni sy ny antoko politika?
– Nandefa fangatahana tantsoroka amin’ny fanentanana olom-pirenena amin’ny Rale ny Ceni. Tsy hisoratra anarana fotsiny izany, fa eo koa ny fakana fifindra-monina amin’ny fokontany nialana ary hisoratra anarana amin’izay hifindrana. Izay no mampahadio ny lisi-pifidianana, fa maro ny tsy zatra maka fifindra-monina. Misy adidin’ny olom-pirenena ny hahamarina ny lisi-pifidianana. Olana ny fampifangaroany ny fanavaozana tanteraka sy ny Rale hoe efa nanao fanavaozana tanteraka teo, nefa mbola manao Rale indray. Miezaka manazava ny Ceni, fa andidian’ny lalàna azy isaky ny 1 desambra-15 mey ny Rale.
* Ahoana ny hisorohana ny anarana miverimberina?
– Tanjona roa no napetraky ny Ceni: fanavaozana ny lisitra, araka ny fitomboan’ny isan’ny olona mahafeno fepetra; fampiakarana ny taham-pahamarinan’ny mombamomba ny mpifidy ao anaty lisitra ary ny fanantenana azy haka fifindra-monina tsy hisian’ny anarana miverina. Misy adidin’ny olom-pirenena izany ny fahamarinan’ny lisi-pifidianana tsy hisian’ny anarana miverimberina. Zo sy adidin’ny olom-pirenena ny fisoratany anarana. Ampirisihana ny tsirairay hisitraka izay zo izay ary hanefa ny adidiny amin’izany. Izay no hahazoana lisi-pifidianana marina sy fifidianana eken’ny rehetra.
Nangonin’i R. Nd.




