Rasata Rafaravavitafika: “Omena sehatra ny Malagasy any am-pielezana”

“Nametraka tantara sy nahavita asa tsara ny zoky sy raiaman-dreny teo aloha. Hiezaka ihany koa isika hanao izay tratry ny herintsika ho an’ny taranaka sy ho fampandrosoana an’i Madagasikara”.

Io no nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Fom­ba fiasa haingana sy matotra ary mangarahara sy lavitry ny kolikoly no hapetraka eo anivon’ny minisitera tantaniny, hoy ny minisitra nandray ny fi­tan­tanana, afakomaly. Laha­ram-pahamehana ny fanatanterahana ny vina napetraky ny Filoham-pirenena. Misy ihany koa anefa ny vina sy ny tanjona manokan’ny minisitera. Hifan­dray hatrany anefa ireo vina samihafa ireo ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

Omena vahana ny diplaomasia
Raha ny mahakasika ny vinan’ny minisitera, napetraky ny minisitra fa hotratrarina, mandritra ny fotoam-piasany. Hita ao anatin’izany ny fanomezana vahana manokana ny diplaomasia mampandroso ny sehatry ny toekarena. Manaraka izany, ny fanomezana sehatra ireo Malagasy any am-pielezana, ahafahany mandray anjara amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny fanamafisana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena miara-misalahy aminy amin’ny fampivoarana ny maha olona. Ary farany, ny fametrahana ireo masoivoho ho tandroka aron’ny vozona hiaro ny fiandrianam-pirenena sy filaminana ary ny voninahitr’i Madagasikara. Ho an’ny fiainana anatiny kosa, ho tohizana ny famahana ny olana mianjady amin’ny minisitera ao anatin’ny mangarahara sy lavitry ny kolikoly.
Araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny vaovao ihany, ezahina ny hametraka sy hanatanteraka ireo vinan’ny Filoham-pirenena ireo amin’ny asan’ny minisitera. Voalohany amin’izany ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny lafiny sosialin’ny vahoaka malagasy. Manaraka izany, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronana asa. Ary farany sy anisan’ny zava-dehibe, ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana, amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly.

Lin

Partager sur: