Sekretariam-panjakana: fanamafisana ny minisitera

“Fanamafisana an’ireo mi­ni­sitera ny fametrahana sekretariam-panjakana, ary fanamavainana ny asany koa”. Io ny fanehoam-pijerin’ny sekretera jeneralin’ny Vondrona laika kristianina mpikatroka (VLKM), Raza­fin­drabe Mamy, momba ny hi­si­an’ny sekretariam-panjakana. Ny asan’ny olona iray izany ata­on’ny olona roa, fa tsy hoe asan’ny olona folo ataon’ny olona iray. Antso roa lela io: mo­ra­mora kokoa ny hanarahin’ny fi­loha ma­so ny fampandrosoana amin’ny zavatra antsipiriany sy isaky ny minisitera, ary ma­na­na andraikitra manokana ny sekreteram-panjakana. Mason­tsi­va­na maromaro no nifantenana an’ireo minisitra. Mila vo­ka­tra ny fandraisana fepetra. Ma­­ro ny fitsapana natao tamin’ izy ireo. Tsy nisy tamin’ny go­ver­ne­man­ta natsangana hatramin’izay ny fanaovana fitsapana, na fanadihadiana lalina mo­mba ny olona tsirairay. Tsy mbo­la nisy koa ny hoe nanao fianianana ny minisitra. Tsy ataotao foana ireny fianianana ireny, fa ma­nan-jina sy hasina ny teny. Aleo izy ireo hiasa ao an­atin’ny 100 andro voalohany, fa vavolombelon’ny mpiasa ny bainga voavadika

R. Nd.

Partager sur: