Governemanta teknisianina ny governemanta vaovao amin’izao fe-potoam-piasana faharoan’ny fitondran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izao. Izay, ohatra, no tsy isian’ny olom-boafidy toy ny solombavambahoaka ho mpikamban’ny governemanta. Toy izany koa no tsy nisian’ny mpanao politika na mpitarika antoko politika izay nanohana azy tamin’ny fifidianana. “Tsy fitadiavan-tseza no nanohanana ny filoha Rajoelina”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Tambatra, izay anisan’ny Union des pro Andry Rajoelina (Upar), Rakotoniaina Pety, manoloana ny filazana na ahiahin’ny mpanao politika sasany fa hiteraka lonilony ny tsy nahatafiditra ny mpikamban’ny Upar ao anatin’ny governemanta vaovao.
“Tsy mba mametraka olana amin’io governemanta io aho, ary mirary soa ho an’ireo olona voatendry amin’ny andraikitra nanendrena azy”, hoy izy. Mazava izay. Ny nahatsapany fa nisy dingana lehibe vita no nanohanany ny filoha Rajoelina tamin’ny fifidianana. Anisan’ny lehibe amin’izany ny fandriampahalemana. Anisan’ny zava-dehibe nanohanany ny filoha tamin’ny fifidianana koa ny nanaovana ho zava-dehibe ny fomba hanoratana ny tanin’ny olona. Manamafy ny fanohanany ny filoha Rajoelina izy, ary miantso sy manentana ireo namany eo anivon’ny Upar hanao izany na tsy tafiditra ao anatin’ny governemanta aza.
R. Nd.




